1 Tantara 16:6-18 Malagasy Bible (MG1865)

6. Benaia sy Jahaziela mpisorona kosa no mpitsoka ny trompetra mandrakariva eo anoloan'ny fiaran'ny faneken'Andriamanitra.

7. Tamin'izay andro izay no voalohan'ny nanendren'i Davida an'i Asafa sy ny rahalahiny hidera an'i Jehovah.

8. Miderà an'i Jehovah, miantsoa ny anarany; Ampahafantaro ny firenena ny asany.

9. Mihira ho Azy, mankalazà Azy; Saintsaino ny fahagagana rehetra ataony.

10. Ataovy ho reharehanareo ny anarany masina; Aoka hifaly ny fon'izay mitady an'i Jehovah.

11. Mitadiava an'i Jehovah sy ny heriny, Katsaho mandrakariva ny tavany.

12. Mahatsiarova ny asa mahagaga izay nataony, dia ny fahagagany sy ny fitsaran'ny vavany,

13. Hianareo taranak'Isiraely mpanompony, Hianareo olom-boafidiny, taranak'i Jakoba.

14. Jehovah, Izy no Andriamanitsika, manerana ny tany rehetra ny fitsarany.

15. Tsarovy mandrakizay ny fanekeny. Dia ilay teny voadidiny ho an'ny taranaka arivo mandimby,

16. Eny, dia ilay nataony tamin'i Abrahama sy ny fianianany tamin'Isaka,

17. Izay naoriny ho lalàna ho an'i Jakoba sy ho fanekena mandrakizay ho an'Isiraely,

18. Ka nataony hoe: Homeko anao ny tany Kanana ho lovanareo voazara amin'ny famolaina;

1 Tantara 16