27. Famirapiratana sy voninahitra no eo anatrehany, Hery sy hafaliana no ao amin'ny fitoerany.
28. Ry firenena, manomeza an'i Jehovah, eny, manomeza voninahitra sy hery ho an'i Jehovah.
29. Manomeza an'i Jehovah ny voninahitry ny anarany; MitondrĂ fanatitra, ka mankanesa eo anatrehany; Miankohofa eo anatrehan'i Jehovah amin'ny fihaingoana masina
30. Mangovita eo anatrehany, ry tany rehetra; Izao rehetra izao voaorina ka tsy hihetsika.
31. Aoka ho faly ny lanitra ary ho ravo ny tany; Ary aoka holazaina any amin'ny firenena hoe: Jehovah no Mpanjaka.
32. Aoka hirohondrohona ny ranomasina sy izay rehetra ao aminy; Aoka ho faly ny saha sy izay rehetra ao aminy.
33. Dia hihoby eo anatrehan'i Jehovah amin'izay ny hazo an'ala; Fa avy hitsara ny tany Izy.
34. MiderĂ an'i Jehovah, fa tsara Izy: Fa mandrakizay ny famindram-pony.