1 Tantara 16:18-30 Malagasy Bible (MG1865)

18. Ka nataony hoe: Homeko anao ny tany Kanana ho lovanareo voazara amin'ny famolaina;

19. Fony mbola olom-bitsy ianareo, Eny, Vitsy sady vahiny tao,

20. Ary nifindrafindra tany amin'ny firenena, sy nifindrafindra fanjakana ho amin'ny firenen-kafa,

21. Tsy nisy navelany hampahory azy; Ary nananatra mpanjaka Izy noho ny amin'ireo hoe:

22. Aza manendry ireo voahosotro, Ary aza manisy ratsy Ireo mpaminaniko.

23. Mihira ho an'i Jehovah, ry tany rehetra; Lazao isan'andro isan'andro ny famonjeny mahafaly.

24. Ambarao any amin'ny jentilisa ny voninahiny, ary any amin'ny firenena rehetra ny fahagagana ataony.

25. Fa lehibe Jehovah ka mendrika hoderaina indrindra, sady mahatahotra, fa ambonin'ny andriamanitra rehetra.

26. Fa ny andriamanitry ny firenena rehetra dia tsinontsinona, fa Jehovah no nanao ny lanitra.

27. Famirapiratana sy voninahitra no eo anatrehany, Hery sy hafaliana no ao amin'ny fitoerany.

28. Ry firenena, manomeza an'i Jehovah, eny, manomeza voninahitra sy hery ho an'i Jehovah.

29. Manomeza an'i Jehovah ny voninahitry ny anarany; MitondrĂ  fanatitra, ka mankanesa eo anatrehany; Miankohofa eo anatrehan'i Jehovah amin'ny fihaingoana masina

30. Mangovita eo anatrehany, ry tany rehetra; Izao rehetra izao voaorina ka tsy hihetsika.

1 Tantara 16