15. Tsarovy mandrakizay ny fanekeny. Dia ilay teny voadidiny ho an'ny taranaka arivo mandimby,
16. Eny, dia ilay nataony tamin'i Abrahama sy ny fianianany tamin'Isaka,
17. Izay naoriny ho lalàna ho an'i Jakoba sy ho fanekena mandrakizay ho an'Isiraely,
18. Ka nataony hoe: Homeko anao ny tany Kanana ho lovanareo voazara amin'ny famolaina;
19. Fony mbola olom-bitsy ianareo, Eny, Vitsy sady vahiny tao,
20. Ary nifindrafindra tany amin'ny firenena, sy nifindrafindra fanjakana ho amin'ny firenen-kafa,
21. Tsy nisy navelany hampahory azy; Ary nananatra mpanjaka Izy noho ny amin'ireo hoe:
22. Aza manendry ireo voahosotro, Ary aza manisy ratsy Ireo mpaminaniko.
23. Mihira ho an'i Jehovah, ry tany rehetra; Lazao isan'andro isan'andro ny famonjeny mahafaly.
24. Ambarao any amin'ny jentilisa ny voninahiny, ary any amin'ny firenena rehetra ny fahagagana ataony.
25. Fa lehibe Jehovah ka mendrika hoderaina indrindra, sady mahatahotra, fa ambonin'ny andriamanitra rehetra.
26. Fa ny andriamanitry ny firenena rehetra dia tsinontsinona, fa Jehovah no nanao ny lanitra.
27. Famirapiratana sy voninahitra no eo anatrehany, Hery sy hafaliana no ao amin'ny fitoerany.