1 Tantara 15:3-15 Malagasy Bible (MG1865)

3. Dia novorin'i Davida tany Jerosalema ny Isiraely rehetra hampakatra ny fiaran'i Jehovah ho any amin'ny fitoerana izay namboariny ho azy.

4. Ary novorin'i Davida ny taranak'i Arona sy ny Levita:

5. tamin'ny taranak'i Kehata dia Oriela lehibeny sy ny rahalahiny roa-polo amby zato;

6. tamin'ny taranak'i Merary dia Asaia lehibeny sy ny rahalahiny roa-polo amby roan-jato;

7. tamin'ny taranak'i Gersona dia Joela lehibeny sy ny rahalahiny telo-polo amby zato;

8. tamin'ny taranak'i Elizafana dia Semaia lehibeny sy ny rahalahiny roan-jato;

9. tamin'ny taranak'i Hebrona dia Eliala lehibeny sy ny rahalahiny valo-polo,

10. tamin'ny taranak'i Oziela dia Aminadaba lehibeny sy ny rahalahiny roa ambin'ny folo amby zato.

11. Ary Davida niantso an'i Zadoka sy Abiatara mpisorona sy ny Levita, dia Oriela sy Asaia sy Joela sy Semaia sy Eliala ary Aminadaba,

12. ka nanao taminy hoe: Hianareo lohan'ny fianakavian'ny Levita, hamasino ny tenanareo, dia ianareo sy ny rahalahinareo, mba hampakaranareo ny fiaran'i Jehovah, Andriamanitry ny Isiraely, ho ao amin'ilay namboariko ho azy.

13. Satria tsy ianareo no tamin'ilay teo, dia nasian'i Jehovah Andriamanitsika isika, fa tsy nitady Azy araka ny voadidy.

14. Dia nanamasina ny tenany ny mpisorona sy ny Levita hampakatra ny fiaran'i Jehovah, Andriamanitry ny Isiraely.

15. Ary ny Levita nilanja ny fiaran'Andriamanitra tamin'ny hazo, tahaka ny nandidian'i Mosesy araka ny tenin'i Jehovah.

1 Tantara 15