1 Tantara 15:23-26 Malagasy Bible (MG1865)

23. Ary Berekia sy Elikana no mpiandry varavarana amin'ny fiara.

24. Ary Sebania sy Josafata sy Netanela sy Amasay sy Zakaria sy Benaia ary Eliezera, izay samy mpisorona, no nitsoka ny trompetra teo alohan'ny fiaran'Andriamanitra, ary Obed-edoma sy Jehia koa no mpiandry varavarana amin'ny fiara.

25. Ary Davida sy ny loholon'ny Isiraely mbamin'ny mpifehy arivo no nandeha hampakatra ny fiaran'ny faneken'i Jehovah avy tao an-tranon'i Obed-edoma tamin'ny fifaliana.

26. Ary rehefa nomban'Andriamanitra ny Levita izay nilanja ny fiaran'ny faneken'i Jehovah, dia namono vantotr'ombilahy fito sy ondrilahy fito hatao fanatitra izy.

1 Tantara 15