4. ary Jismaia Gibeonita, lehilahy mahery isan'ny telo-polo lahy sady mpifehy ny telo-polo lahy, ary Jeremia sy Jahaziela sy Johanana sy Jozababa Gaderatita
5. sy Elozay sy Jerimota ary Bealia sy Semaria sy Sefatia Harofita
6. sy Elkana sy Jisia sy Azarela sy Joezera ary Jasobeama Koraita
7. ary Joela sy Zebadia, zanak'i Jerohama avy any Gedora.
8. Ary tamin'ny Gadita nisy lehilahy mahery niendaka hanatona an'i Davida ho amin'ny fiarovana tany an-efitra, dia ny miaramila nahay niady ka nahatana ampinga lehibe sy lefona; ny tarehiny dia tahaka ny tarehin'ny liona, ary faingam-pandeha tahaka ny gazela eny an-tendrombohitra izy.
9. Ezera no voalohany, Obadia no faharoa, Eliaba no fahatelo,
10. Mismana no fahefatra, Jeremia no fahadimy,
11. Atahy no fahenina, Eliala no fahafito,
12. Johanana no fahavalo, Elizabada no fahasivy,
13. Jeremia no fahafolo, Makbanay no fahiraika ambin'ny folo.
14. Ireo no isan'ny taranak'i Gada sady samy mpifehy miaramila; ny kely indrindra naharesy olona zato, ary ny lehibe indrindra naharesy arivo.