1 Tantara 12:1-6 Malagasy Bible (MG1865)

1. Ary izao no nankany amin'i Davida tany Ziklaga, fony izy mbola niery an'i Saoly, zanak'i Kisy; ary isan'ny lehilahy mahery mpanampy amin'ny ady ireo

2. sady mpitondra tsipìka ka nahay nanavia sy nanavanana raha nitora-bato na nandefa tsipìka. Isan'ny Benjamita, rahalahin'i Saoly, ireo.

3. Ny lohany dia Ahiezera sy Joasy, zanak'i Sema Gibeatita, sy Jeziela sy Peleta zanak'i Azmaveta, ary Beraka sy Jeho Anatotita

4. ary Jismaia Gibeonita, lehilahy mahery isan'ny telo-polo lahy sady mpifehy ny telo-polo lahy, ary Jeremia sy Jahaziela sy Johanana sy Jozababa Gaderatita

5. sy Elozay sy Jerimota ary Bealia sy Semaria sy Sefatia Harofita

6. sy Elkana sy Jisia sy Azarela sy Joezera ary Jasobeama Koraita

1 Tantara 12