7. Dia nitoetra tao anatin'ny batery fiarotana Davida, ka izany no nanaovana ny anarany hoe Tanànan'i Davida
8. Ary nandrafitra ny manodidina ny tanàna hatrany Milo izy; ary Joaba nampamboatra ny sisa tamin'ny tanàna.
9. Koa dia nandroso nihalehibe Davida; fa Jehovah, Tompon'ny maro, no nomba azy.
10. Ary izao no lohan'ny lehilahy maherin'i Davida izay nifikitra mafy taminy tamin'ny fanjakany, mbamin'ny Isiraely rehetra hampanjaka azy araka ny tenin'i Jehovah ny amin'ny Isiraely.
11. Dia izao no isan'ny lehilahy maherin'i Davida: Jasobeama, zanak'i Hakmony, lehiben'ny mpanafika malaza; izy no namely telon-jato lahy tamin'ny lefona ka naharingana azy tamin'ny ady indray mandeha monja.
12. Ary ny manarakaraka azy dia Eleazara, zanak'i Dodo Ahohita, anankiray amin'izy telo lahy mahery.
13. Izy dia teo amin'i Davida tao Efesa-damima, raha vory teo ny Filistina hiady, ary ny tany nisy vary hordea maniry, ary ny olona nandositra ny Filistina.
14. Fa nijanona teo afovoan'io tany io kosa Eleazara ka nahazo io ary namono ny Filistina, ka dia nanao famonjena lehibe Jehovah.
15. Ary nisy telo lahy malaza tamin'ny telo-polo nidina nankeo amin'ny vatolampy ho any amin'i Davida tamin'ny zohin'i Adolama; ary ny miaramilan'ny Filistina nitoby tao amin'ny Lohasahan'ny Refaita.
16. Ary Davida dia tao amin'ny batery fiarovana tamin'izay, ary ny miaramilan'ny Filistina kosa dia tao Betlehema.
17. Ary Davida naniry ka nanao hoe: Enga anie ka hisy hampisotro rano ahy avy amin'ny fantsakana ao Betlehema, ilay ao akaikin'ny vavahady.
18. Ary izy telo lahy ireo namaky teo amin'ny miaramilan'ny Filistina ka nanovo rano tao amin'ny fantsakana tao Betlehema, ilay tao akaikin'ny vavahady, dia nentiny ho any amin'i Davida. Kanjo tsy nety nisotro izy, fa naidiny ho an'i Jehovah.
19. Fa hoy izy: Sanatria amiko eo anatrehan'Andriamanitra raha hanao izany; hisotro ny ran'ireto olona nanao vi-very ny ainy ireto va aho? fa nanao vi-very ny ainy izy ireo tamin'ny nakany ity. Ka dia tsy nety nisotro izy. Izany zavatra izany no nataon'ireo telo lahy mahery ireo.
20. Ary Abisay, rahalahin'i Joaba, no lehibe tamin'izy telo lahy; fa izy koa namely telonjato lahy tamin'ny lefona ka nahafaty azy, ka dia izy no nalaza tamin'izy telo lahy.
21. Eny, tamin'izy telo lahy dia izy no nanana voninahitra mihoatra noho ny azy roa lahy, fa izy no lehibeny; nefa tsy nahomby azy telo lahy teo izy.