23. Ary izy koa no namono ilay Egyptiana makadiry, izay dimy hakiho ny halavany, nefa teny an-tànan'ilay Egyptiana nisy lefona tahaka ny vodi-tenon'ny mpanenona; nefa namorotsahan'i Benaia tamin'ny tehiny ihany izy, dia nosarihany ny lefona teny an-tànan'ilay Egyptiana, ka iny lefony iny ihany no namonoany azy.
24. Izany zavatra izany no nataon'i Benaia, zanak'i Joiada, ary tamin'izy telo lahy mahery dia izy no nalaza.
25. Indro fa be voninahitra tamin'ny telo-polo lahy izy, nefa tsy nahomby azy telo lahy teo; ary Davida nanao azy ho isan'ny mpanolo-tsaina azy.
26. Ary ny lehilahy mahery dia Asahela, rahalahin'i Joaba, sy Elanana, zanak'i Dodo, avy any Betlehema,
27. sy Samota Harorita sy Haleza Pelonita
28. sy Ira, zanak'Ikesy Tekoita, sy Abiezera Anatotita
29. sy Sibekay Hosatita sy Ely Ahohita
30. sy Maharay Netofatita sy Heleda, zanak'i Bana Netofatita,
31. sy Itahy, zanak'i Ribay avy any Gibean'ny taranak'i Benjamina, sy Benaia Piratonita
32. sy Horay, any amin'ny lohasahan-driak'i Gasy, sy Abiela Arbatita
33. sy Azmaveta Baharomita sy Eliaba Salbonita
34. sy ny zanak'i Hasema Gizonita sy Jonatana, zanak'i Sage Hararita,
35. sy Ahiama, zanak'i Sakara Hararita, sy Elifala, zanak'i Ora,
36. sy Hefera Mekeratita sy Ahia Pelonita
37. sy Hezro Karmelita sy Naray, zanak'i Ezbay,