6. Ka dia niara-maty Saoly sy ny zanany telo lahy ary ny ankohonany rehetra.
7. Ary nony hitan'ny lehilahy rehetra amin'ny Isiraely teny amin'ny lohasaha fa nandositra ny olona, ary maty Saoly sy ny zanany, dia niala tamin'ny tanànany izy ka nandositra; ary dia tonga ny Filistina ka nonina tao.
8. Ary nony ampitso, raha tonga haka ny zavatra teo amin'ny faty ny Filistina, dia nahita an'i Saoly sy ny zananilahy niampatrampatra teo an-tendrombohitra Gilboa izy.