4. Ka hoy Saoly tamin'ny mpitondra ny fiadiany: Tsoahy ny sabatrao, ka tsatohy miboroaka aho; fandrao avy irery tsy mifora irery ka hanao ahy ho fihomehezana. Nefa tsy nety ny mpitondra ny fiadiany, fa natahotra loatra izy. Dia nalain'i Saoly ny sabatra ka nianjerany.
5. Ary rehefa hitan'ny mpitondra ny fiadiana fa maty Saoly, dia mba nianjera tamin'ny sabany koa izy ka maty.
6. Ka dia niara-maty Saoly sy ny zanany telo lahy ary ny ankohonany rehetra.
7. Ary nony hitan'ny lehilahy rehetra amin'ny Isiraely teny amin'ny lohasaha fa nandositra ny olona, ary maty Saoly sy ny zanany, dia niala tamin'ny tanànany izy ka nandositra; ary dia tonga ny Filistina ka nonina tao.
8. Ary nony ampitso, raha tonga haka ny zavatra teo amin'ny faty ny Filistina, dia nahita an'i Saoly sy ny zananilahy niampatrampatra teo an-tendrombohitra Gilboa izy.
9. Dia nesoriny ny akanjony, ka nentiny ny lohany sy ny fiadiany, ary dia naniraka tany amin'ny tanin'ny Filistina manodidina izy hanambara izany zavatra mahafaly izany tamin'ny sampiny sy ny olona.