1 Samoela 9:6-12 Malagasy Bible (MG1865)

6. Fa hoy ny mpanompony taminy: Indro, misy lehilahin'Andriamanitra amin'iroa tanàna iroa, ary lehilahy malaza izy, fa izay rehetra lazainy dia tanteraka tokoa; koa andeha isika hankany, fa angamba hatorony antsika izay lalana tokony halehantsika.

7. Dia hoy Saoly tamin'ny zatovony: indro, raha mankany isika, inona moa no haterintsika ho an-dralehilahy? fa efa lany ny mofo rehetra tao amin'ny fitondrantsika, ary tsy misy zavatra haterintsika ho an'ny lehilahin'Andriamanitra; ka inona moa no atỳ amintsika?

8. Dia namaly an'i Saoly indray ilay zatovo ka nanao hoe: Indro, atỳ an-tanako misy vola ampahefatry ny sekely; koa homeko ny lehilahin'Andriamanitra izany, mba hanoroany antsika izay lalana tokony halehantsika.

9. (Fahiny teo amin'ny Isiraely, raha nisy olona nandeha hanontany amin'Andriamanitra, dia izao no fanaony: Andeha, aoka hankany amin'ny mpahita isika; fa izay atao hoe mpaminany ankehitriny no natao hoe mpahita tany aloha.)

10. Dia hoy Saoly tamin'ny mpanompony: Tsara izany, fa andeha isika hankany. Dia lasa izy roa lahy nankany amin'ny tanàna nitoeran'ilay lehilahin'Andriamanitra.

11. Ary raha mbola niakatra teo amin'ny fiakarana ho any an-tanàna izy roa lahy, dia nahita zazavavy mivoaka hantsaka, ka hoy izy taminy: Ao ihany va ny mpahita?

12. Dia namaly azy ireo ka nanao hoe: Ao ihany izy; indro ao alohanao ao izy; mandehana faingana, fa efa tonga ao an-tanàna izy izao, satria misy fanatitra hataon'ny vahoaka ao amin'ny fitoerana avo anio;

1 Samoela 9