1 Samoela 6:6-10 Malagasy Bible (MG1865)

6. Fa nahoana no manamafy ny fonareo ianareo, toy ny nanamafian'ny Egyptiana sy Farao ny fony? Raha nanao fahagagana namelezany azy Izy, moa tsy nalefany handeha va ny olona, ka dia lasa?

7. Koa ankehitriny manaova sariety vaovao, ary mangalĂ  ombivavy roa mitaiza, izay tsy mbola nasiana zioga, dia afehezo amin'ny sariety ny ombivavy, ka ento mody ny zanany hiala aminy.

8. Ary alao ny fiaran'i Jehovah, ka apetraho eo ambonin'ny sariety, dia ataovy ao anaty vata kely eo anilany ny fanaka volamena haterinareo ho Azy ho fanati-panonerana, ka ampandehano izany.

9. Ary izahao, ka raha miakatra amin'ny lalana mankany amin'ny taniny ihany ho any Beti-semesy izany, dia Jehovah no nahatonga izao loza lehibe izao tamintsika; fa raha tsy izany, dia ho fantatsika fa tsy ny tanany no namely antsika, fa mby amin'izay hanjo antsika.

10. Dia nataon'ny olona izany, ka naka ombivavy roa mitaiza izy, dia nafehiny tamin'ny sariety ireo, fa ny zanany narindriny tao an-trano.

1 Samoela 6