1 Samoela 31:7-10 Malagasy Bible (MG1865)

7. Ary nony hitan'ny lehilahy amin'ny Isiraely teny an-dafin'ny lohasaha sy teny an-dafin'i Jordana fa nandositra ny lehilahy amin'ny Isiraely, ary maty Saoly sy ny zanany, dia niala tao an-tanàna izy ka nandositra; ary dia tonga ny Filistina ka nonina tao.

8. Ary nony ampitso, raha tonga haka ny zavatra teo amin'ny maty ny Filistina, dia nahita an'i Saoly sy ny zanany telo lahy niampatrampatra teo an-tendrombohitra Gilboa izy.

9. Ary notapahiny ny lohany, sady nalainy ny fiadiany, ary dia naniraka tany amin'ny tanin'ny Filistina manodidina izy hanambara izany zavatra mahafaly izany ao amin'ny tranon'ny sampiny sy amin'ny olona.

10. Dia napetrany tao amin'ny tranon'i Astarta ny fiadiany; ary ny fatiny nohomboany teo amin'ny màndan'i Beti-sana.

1 Samoela 31