1. Ary ny Filistina niady tamin'ny Isiraely, ary nandositra teo anoloan'ny Filistina ny lehilahy amin'ny Isiraely, ary niampatrampatra teny an-tendrombohitra Gilboa ny faty.
2. Ary ny Filistina nanenjika mafy an'i Saoly sy ny zanany, ka matin'ny Filistina Jonatana sy Abinadaba ary Malkisoa, zanak'i Saoly.
3. Ary mafy ny ady tamin'i Saoly, dia nifanehatra tamin'ny mpandefa tsipìka izy; ary raiki-tahotra indrindra izy noho ny mpandefa tsipìka.