1 Samoela 30:1-15 Malagasy Bible (MG1865)

1. Ary nony tonga teo Ziklaga Davida sy ny olony tamin'ny andro fahatelo, dia, indro, ny Amalekita efa nanafika ny tany atsimo sy Ziklaga ka namely an'i Ziklaga sy nandoro azy tamin'ny afo;

2. ary efa namabo ny vehivavy sy izay rehetra tao izy, na lehibe na kely, nefa tsy nisy novonoiny na dia iray aza; fa nentiny ho babo ireo, ka lasa nandeha izy.

3. Ary Davida sy ny olony tonga tao amin'ny tanàna, ary, indro, efa levon'ny afo ny tanàna; ary ny vadiny mbamin'ny zananilahy sy ny zananivavy efa lasan-ko babo.

4. Ary Davida sy ny mpanaraka azy dia nanandratra ny feony nitomany ambara-paha-tsy nahatomany intsony izy.

5. Ary voababo koa izy roa vavy vadin'i Davida, dia Ahinoama Jezirelita sy Abigaila, ilay novinadin'i Nabala Karmelita.

6. Ary ory indrindra Davida, fa ny olona nifampitaona hitora-bato azy, satria samy nalahelo ny zananilahy sy ny zananivavy ny olona rehetra; fa Davida kosa nampahery ny tenany tamin'i Jehovah Andriamaniny.

7. Ary hoy Davida tamin'i Abiatara mpisorona, zanak'i Ahimeleka: Masìna ianao, ento etỳ amiko ny efoda. Dia nentin'i Abiatara teo amin'i Davida ny efoda.

8. Ary Davida nanontany tamin'i Jehovah hoe: Henjehiko va izany jirika izany? Ho tratro va izy? Dia namaly azy Jehovah hoe: Enjeho izy, fa ho tratranao tokoa ary ho rarakao.

9. Dia lasa Davida sy ny enin-jato lahy izay nanaraka azy ka tonga teo amin'ny renirano Besora, ary teo no nijanonan'ny sasany.

10. Ary Davida sy ny efa-jato lahy no nanenjika; fa ny roan-jato lahy kosa, izay reraka ka tsy afaka nita ny renirano Besora, dia nijanona tany aoriana.

11. Ary nahita lehilahy Egyptiana tany an-tsaha ny olona, ka nentiny tany amin'i Davida; ary nomeny hanina ralehilahy, ka nihinana izy, ary nampisotroiny rano koa izy.

12. Ary nomeny ampempan'aviavy iray didy sy voaloboka maina roa sampaho izy; ary rehefa nihinana izy, dia nody indray ny ainy; fa hateloan'andro sy hateloan'alina izy tsy nihinan-kanina na nisotro rano.

13. Ary hoy Davida taminy: An'iza moa ianao, ary avy taiza? Ary hoy izy: Zatovo Egyptiana, mpanompon'ny Amalekita anankiray, aho; ary narian'ny tompoko aho, fa narary afaka omaly.

14. Izahay efa nanafika ny tany atsimo izay an'ny Keretita sy ny an'i Joda ary ny tany atsimo izay an'i Kaleba ary nandoro an'i Ziklaga tamin'ny afo.

15. Ary hoy Davida taminy: Hitondra ahy midina ho amin'izany jirika izany va ianao? Ary hoy izy: Mianiàna amiko amin'Andriamanitra fa tsy hamono ahy ianao na hanolotra ahy ho eo an-tànan'ny tompoko, dia hitondra anao midina ho amin'izany jirika izany aho.

1 Samoela 30