6. Ary Saoly dia nanontany tamin'i Jehovah, fa Jehovah tsy namaly azy, na tamin'ny nofy, na tamin'ny Orima, na tamin'ny mpaminany.
7. Ary hoy Saoly tamin'ny mpanompony: Itadiavo vehivavy manao azy ho tsindrian-javatra aho hankanesako any hanontaniako aminy. Ary hoy ny mpanompony taminy: Indro, misy vehivavy manao azy ho tsindrian-javatra eo Andora.
8. Dia nanova tarehy Saoly ka nitafy fitafiana hafa, dia nandeha izy sy ny olona roa lahy nanaraka azy ka tonga tao amin-dravehivavy nony alina; ary hoy izy: Masìna ianao, manaova fankatovana ho ahy amin'ny zavatra manindry anao, ka ampiakaro ho etỳ amiko izay hotononiko aminao.
9. Ary hoy ravehivavy taminy: Indro, fantatrao izay nataon'i Saoly, dia ny nandroahany ny manao azy ho tsindrian-javatra sy ny mpanao hatsarana hiala amin'ny tany, ka nahoana ianao no mamandrika ny aiko hahafaty ahy?
10. Ary Saoly nianiana tamin'i Jehovah ka nanao taminy hoe: Raha velona koa Jehovah, dia tsy hisy heloka hahazo anao amin'izao zavatra izao.
11. Dia hoy ravehivavy: Iza ary no hampiakariko ho eto aminao? Ary hoy izy: Samoela no ampiakaro ho etỳ amiko.
12. Ary hitan-dravehivavy Samoela, dia nidradradradra tamin'ny feo mafy izy ka nanao tamin'i Saoly hoe: Nahoana no namitaka ahy ianao? fa ianao no Saoly.
13. Ary hoy ny mpanjaka taminy: Aza matahotra; fa inona no hitanao? Ary hoy ravehivavy tamin'i Saoly: Andriamanitra miakatra avy amin'ny tany no hitako.
14. Ary hoy izy taminy: Manao ahoana no endriny? Dia hoy izy: Lehilahy antitra no miakatra sady mikapôty izy. Ary fantatr'i Saoly fa Samoela izay, dia niondrika tamin'ny tany izy ka niankohoka.
15. Ary hoy Samoela tamin'i Saoly: Nahoana no korontaninao aho ka ampiakarinao? Dia hoy Saoly: Tery loatra aho, fa miady amiko ny Filistina, ary Andriamanitra efa nahafoy ahy ka tsy mamaly teny ahy intsony, na amin'ny mpaminany, na amin'ny nofy; koa izany no nampanalako anao mba hampahalalanao ahy izay hataoko.
16. Ary hoy Samoela: Nahoana no manontany amiko ianao, nefa Jehovah efa mahafoy anao ka tonga fahavalonao.
17. Fa Jehovah efa nanao ho Azy araka ny nampilazainy ahy; fa efa nendahany hiala amin'ny tananao ny fanjakana ka nomeny an'i Davida namanao.