19. Ary hiaraka hatolotr'i Jehovah ho eo an-tànan'ny Filistina ny tenanao sy ny Isiraely; ary rahampitso dia ho etỳ amiko ianao sy ny zanakao; ary ny miaramilan'ny Isiraely koa dia hatolotr'i Jehovah eo an-tànan'ny Filistina.
20. Dia lavo niampatra tamin'ny tany niaraka tamin'izay Saoly ka raiki-tahotra indrindra noho ny tenin'i Samoela; sady efa tsy nisy hery intsony izy, satria tsy nihinan-kanina indray andro sy indray alina maninjitra.
21. Ary nankao amin'i Saoly ravehivavy ka nahita azy ory indrindra, dia nanao taminy hoe: Indro, ny ankizivavinao nihaino ny feonao, dia nanao ny aiko tsy ho zavatra aho ka nihaino ny teninao izay nolazainao tamiko.