1. Ary tamin'izany andro izany ny Filistina dia namory ny miaramilany hanafika ny Isiraely. Ary hoy Akisy tamin'i Davida: Aoka ho fantatrao tsara fa hiara-mivoaka amiko hanafika ianao sy ny olonao.
2. Ary hoy Davida tamin'i Akisy: Amin'izao dia ho fantatrao tokoa izay hain'ny mpanomponao hatao. Ary hoy Akisy tamin'i Davida: Noho izany dia hataoko mpiaro ny lohako mandrakizay ianao.
3. (Ary efa maty Samoela, ka ny Isiraely rehetra efa nisaona azy sy nandevina azy tao Rama, dia tao an-tanànany. Ary efa noroahin'i Saoly hiala amin'ny tany izay nanao azy ho tsindrian-javatra sy ny mpanao hatsarana.)
4. Ary ny Filistina nivory, dia tonga ka nitoby tao Sonema; fa Saoly namory ny Isiraely rehetra, ka nitoby tao Gilboa kosa ireo.
5. Ary Saoly, raha nahita ny miaramilan'ny Filistina, dia raiki-tahotra sady niemponempona ny fony.
6. Ary Saoly dia nanontany tamin'i Jehovah, fa Jehovah tsy namaly azy, na tamin'ny nofy, na tamin'ny Orima, na tamin'ny mpaminany.
7. Ary hoy Saoly tamin'ny mpanompony: Itadiavo vehivavy manao azy ho tsindrian-javatra aho hankanesako any hanontaniako aminy. Ary hoy ny mpanompony taminy: Indro, misy vehivavy manao azy ho tsindrian-javatra eo Andora.