40. Ary nony tonga tany amin'i Abigaila teo Karmela ny mpanompon'i Davida, dia hoy izy: Davida naniraka anay hankatỳ aminao hila anao ho vadiny.
41. Dia nitsangana izy ary niankohoka tamin'ny tany ka nanao hoe: Indro, aoka ny ankizivavinao ho mpanompo hanasa ny tongotry ny mpanompon'itompokolahy.
42. Ary Abigaila nitsangana faingana ka nitaingina boriky, ary ankizivaviny dimy no nanaraka azy; dia nanaraka ny irak'i Davida izy, ka dia novadiny.
43. Ary Davida efa nanambady an'i Ahinoama avy any Jezirela koa; ary samy novadiny avokoa izy roa vavy.
44. Fa Saoly efa nanome an'i Mikala, zananivavy, vadin'i Davida, ho vadin'i Palty, zanak'i Laisy, avy any Galima.