1 Samoela 25:36-39 Malagasy Bible (MG1865)

36. Ary Abigaila dia tonga tao amin'i Nabala; kanjo, indro, nanao fanasana tao an-tranony izy tahaka ny fanasan'ny mpanjaka, ary faly ny fon'i Nabala tamin'izany, ary mamo loatra izy, ka dia tsy nisy nambaran'ny vavy taminy, na kely na be mandra-pahazavan'ny andro.

37. Ary nony maraina, ka afaka ny hamamoan'i Nabala, dia nambaran'ny vavy taminy izany zavatra izany, ka dia matihena ny fony ka tonga tahaka ny vato.

38. Ary nony afaka hafoloana, dia nasian'i Jehovah Nabala, ka dia maty izy.

39. Ary nony ren'i Davida fa maty Nabala, dia hoy izy: Isaorana anie Jehovah izay niady ho ahy ka nahafa-tondromaso ahy tamin'i Nabala sy niaro ny mpanompony tsy hahatanteraka ny ratsy; fa ny ratsy nataon'i Nabala dia nampodin'i Jehovah ho eo an-dohany ihany. Ary Davida naniraka hiresaka amin'i Abigaila hila azy ho vady.

1 Samoela 25