1 Samoela 25:13-24 Malagasy Bible (MG1865)

13. Ary hoy Davida tamin'ny olony: Samia manao ny sabatrareo eo amin'ny fehin-tsabany avy ianareo; ka dia samy nanao ny sabany teo amin'ny fehin-tsabany avy ny olona, ary dia mba nanao ny sabany teo amin'ny fehin-tsabany koa Davida; ary nisy tokony ho efa-jato lahy niakatra nanaraka an'i Davida, ary roan-jato lahy kosa nipetraka teo amin'ny entana.

14. Ary Abigaila, vadin'i Nabala, dia nilazan'ny anankiray tamin'ny zatovony hoe: Indro, Davida naniraka olona avy tany an-efitra mba hiarahaba ny tompontsika, nefa nisafoaka tamin'ireny izy.

15. Fa ireo lehilahy ireo dia nanao tsara tokoa taminay, ka tsy naninona tsy naninona izahay, ary tsy nisy zavatra very tamin'izay andro nitoeranay tao aminy, fony tany an-tsaha izahay.

16. Izy no mandanay andro aman'alina tamin'ny andro rehetra nitoeranay niandry ondry tao aminy.

17. Koa dia fantaro sy hevero ankehitriny izay hataonao; fa ratsy no ifofoan'ny tompontsika mbamin'ny ankohonany rehetra; fa Nabala dia tena ratsy fanahy, ka tsy misy olona mahazo miteny aminy.

18. Dia nandeha faingana Abigaila ka naka mofo roan-jato sy divay eran'ny tavoara roa sy ondry dimy voavoatra sy lango indimin'ny vata sy takela-boaloboka maina zato ary ampempan'aviavy roan-jato, dia nasampiny tamin'ny boriky izany.

19. Ary hoy izy tamin'ny zatovony: Mandehana eo alohako, indro, izaho hanaraka anareo; nefa Nabala vadiny tsy mba nilazany.

20. Ary tamin'izany, nony nitaingina ny borikiny izy ka nidina tao amin'ny takon'ny havoana, dia indro, Davida sy ny olony nidina nanatona azy, ary izy nifanena taminy.

21. Ary Davida efa nilaza hoe: Foana tokoa ny an-efitra, ka tsy nisy very na inona na inona; fa novaliany ratsy ny soa nataoko.

22. Mba hataon'Andriamanitra toy izany anie ny fahavalon'i Davida, eny, mihoatra noho izany aza, raha dia havelako hisy miangana na dia lehilahy iray aza izay mety ho azy ambara-pahazavan'ny andro.

23. Ary Abigaila, raha nahita an'i Davida, dia niala faingana tamin'ny boriky ary niankohoka teo anatrehan'i Davida ka nitsaoka azy.

24. Dia niankohoka tamin'ny tongony izy ka nanao hoe: Aoka ho ahy dia ho ahy ity heloka ity, tompokolahy; masìna ianao, avelao ny ankizivavinao hiteny eto anatrehanao, ka henoy ny tenin'ny ankizivavinao.

1 Samoela 25