1 Samoela 25:1-9 Malagasy Bible (MG1865)

1. Ary maty Samoela; ary nivory ny Isiraely rehetra ka nisaona azy sy nandevina azy tao amin'ny fonenany tao Rama. Ary Davida niainga ka nidina nankany an-efitra Parana.

2. Ary nisy lehilahy tao Maona, ary tao Karmela ny fananany; mpanjatobe ralehilahy ka nanana ondry telo arivo sy osy arivo, ary nanety ny ondriny tao Karmela izy.

3. Nabala no anaran-dralehilahy; ary Abigaila no anaran'ny vavy; vehivavy hendry sady tsara tarehy izy; fa ny lahy kosa saro-po sy ratsy amin'izay ataony; ary isan'ny taranak'i Kaleba izy.

4. Ary ren'i Davida tany an-efitra fa Nabala manety ny ondriny.

5. Dia naniraka zatovo folo lahy Davida ka nanao taminy hoe: Miakara any Karmela ianareo, ary mankanesa any amin'i Nabala, ka miarahabĂ  azy amin'ny anarako.

6. Ary izao no holazainareo aminy: trarantitra ianao, fiadanana anie ho anao, ary fiadanana ho amin'ny ankohonanao, ary fiadanana ho amin'izay anananao rehetra.

7. Ary ankehitriny efa reko fa manety ondry ianao; koa ny mpiandry ondrinao, izay tao aminay, tsy nasianay ratsy, ary tsy nisy very na inona na inona tamin'ny andro rehetra nitoerany tao Karmela.

8. Anontanio ny zatovonao, fa hilaza aminao izy. Koa aoka hahita fitia eo imasonao ny zatovo (fa andro fifaliana no ihavianay); masìna ianao, mba omeo amin'izay azon'ny tananao ireto mpanomponao sy Davida zanakao.

9. Ary rehefa tonga ny zatovon'i Davida, dia niteny tamin'i Nabala tamin'ny anaran'i Davida araka izany teny rehetra Izany izy, ka dia nipetraka.

1 Samoela 25