1 Samoela 25:1-5 Malagasy Bible (MG1865)

1. Ary maty Samoela; ary nivory ny Isiraely rehetra ka nisaona azy sy nandevina azy tao amin'ny fonenany tao Rama. Ary Davida niainga ka nidina nankany an-efitra Parana.

2. Ary nisy lehilahy tao Maona, ary tao Karmela ny fananany; mpanjatobe ralehilahy ka nanana ondry telo arivo sy osy arivo, ary nanety ny ondriny tao Karmela izy.

3. Nabala no anaran-dralehilahy; ary Abigaila no anaran'ny vavy; vehivavy hendry sady tsara tarehy izy; fa ny lahy kosa saro-po sy ratsy amin'izay ataony; ary isan'ny taranak'i Kaleba izy.

4. Ary ren'i Davida tany an-efitra fa Nabala manety ny ondriny.

5. Dia naniraka zatovo folo lahy Davida ka nanao taminy hoe: Miakara any Karmela ianareo, ary mankanesa any amin'i Nabala, ka miarahabà azy amin'ny anarako.

1 Samoela 25