12. Ary koa, ry ikaky ô, jereo dia jereo ange ny sisin'ny kapôtinao etỳ an-tanako; fa raha nanapaka ny sisin'ny kapôtinao aho, fa tsy nahafaty anao, dia izahao ka fantaro fa tsy misy faharatsiana na fahadisoana amin'ny tanako, ary tsy nanota taminao aho, nefa ianao kosa mihaza ny aiko mba hahafaty azy.
13. Jehovah no hitsara ahy sy ianao, ary Jehovah no hamaly anao noho ny amiko, fa ny tanako tsy mba haninona anao.
14. Araka ny lazain'ny ohabolan'ny ntaolo hoe: Avy amin'ny ratsy fanahy no ivoahan'ny ratsy, nefa ny tanako tsy haninona anao.
15. Hitady an'iza no nivoahan'ny mpanjakan'ny Isiraely? Iza no enjehinao? Amboa maty; parasy iray.
16. Aoka Jehovah no ho mpitsara, ka dia hitsara ahy sy ianao ary hijery sy handahatra ho ahy ka hanafaka ahy amin'ny tananao.
17. Ary nony vita izany teny nataon'i Davida tamin'i Saoly izany, dia hoy Saoly: Feonao va izany, ry Davida zanako ô? Ary Saoly nanandratra ny feony ka nitomany;
18. ary hoy izy tamin'i Davida: Marina noho izaho ianao; fa ianao dia nanisy soa ahy, fa izaho kosa namaly ratsy anao.
19. Ary ianao dia naneho androany ny nanaovanao soa tamiko, fa na dia natolotr'i Jehovah teo an-tananao aza aho, dia tsy nahafaty ahy ianao.
20. Fa moa raha misy olona mahazo ny fahavalony, havelany handeha soa aman-tsara va izy? Koa hovalian'i Jehovah soa anie ianao noho ny nataonao tamiko androany.
21. Ary, indro, ankehitriny fantatro fa ho mpanjaka tokoa ianao, ary ny fanjakan'ny Isiraely ho tafatoetra tsara eo an-tananao.
22. Koa mianiàna amiko amin'i Jehovah ianao ankehitriny fa tsy handringana ny taranako mandimby ahy ianao, ary tsy hovonoinao amin'ny mpianakavin'ny raiko ny anarako. Ary Davida dia nianiana tamin'i Saoly; ary dia lasa nody Saoly, fa Davida sy ny olony kosa niakatra nankany amin'ny batery fiarovana.