1 Samoela 21:1-3 Malagasy Bible (MG1865)

1. Dia nitsangana Davida ka lasa; fa Jonatana kosa nankany an-tanàna.

2. Ary Davida tonga tany Noba, tany amin'i Ahimeleka mpisorona; ary toran-kovitra Ahimeleka, raha nihaona tamin'i Davida, ka nanao taminy hoe: Nahoana no mandeha irery ianao, fa tsy misy manaraka anao?

3. Dia hoy Davida tamin'i Ahimeleka mpisorona: Ny mpanjaka efa nanome raharaha ahy, ka hoy izy tamiko: Aoka tsy ho fantatr'olona ny raharaha nanirahako sy nandidiako anao; ka dia nasaiko nankary ny zatovoko.

1 Samoela 21