1 Samoela 2:34-36 Malagasy Bible (MG1865)

34. Ary izao no ho famantarana ho anao, izay hanjo ny zanakao roa lahy, dia Hofinia sy Finehasa: ho indray andro maty izy mirahalahy.

35. Ary Izaho hanangana mpisorona mahatoky ho Ahy, izay hanao araka ny ato am-poko sy ato an-tsaiko; ary Izaho hampaharitra ny taranany, ka handeha eo anatrehan'ny voahosotro mandrakizay izy.

36. Ary ho avy izay sisa rehetra amin'ny taranakao ka hiankohoka eo anatrehany hangataka vola kely sy mofo iray ka hanao hoe: Masìna ianao, mba tendreo ho isan'ny mpisorona aho, mba hahazoako sombi-mofo hohanina.

1 Samoela 2