1. Ary rehefa nitsahatra niteny tamin'i Saoly izy, dia raiki-pitia tamin'i Davida ny fanahin'i Jonatana, ka tia azy hoatra ny tenany mihitsy izy.
2. Ary Saoly nandray azy tamin'izany andro izany ka tsy namela azy hody tany amin'ny tranon-drainy intsony.
3. Ary Davida sy Jonatana nanao fanekena noho ny fitiavan'i Jonatana azy toy ny tenany.
4. Ary nesorin'i Jonatana ny akanjony ivelany izay teny aminy ka nomeny an'i Davida mbamin'ny akanjo fiadiany sy ny sabany sy ny tsipìkany ary ny fehin-kibony koa aza.
5. Ary Davida nanafika ka hita fa hendry tamin'izay rehetra nanirahan'i Saoly azy; ka dia nataon'i Saoly mpifehy ny miaramila izy sady nankasitrahan'ny vahoaka rehetra sy ny mpanompon'i Saoly koa.
6. Ary nony tonga ny olona tamin'ny niverenan'i Davida avy namono ilay Filistina, dia nivoaka ny vehivavy avy tamin'ny tanànan'ny Isiraely rehetra ka nihira sy nandihy nitsena an'i Saoly mpanjaka tamin'ny ampongatapaka sy ny fifaliana ary ny kipantsona.
7. Ary ny vehivavy mpandihy dia nihira hoe: Saoly nahafaty arivoarivo; Fa Davida nahafaty alinalina.
8. Dia tezitra indrindra Saoly, fa tsy sitrany izany teny izany, ka hoy izy: Ny an'i Davida nataony alinalina lahy, fa ny ahy kosa nataony arivoarivo ihany; koa ny fanjakana ihany no sisa tsy mbola azony.
9. Ary Saoly hatramin'izany andro izany dia nangarika an'i Davida.
10. Ary nony ampitson'iny dia nisy fanahy ratsy avy tany amin'Andriamanitra nilatsaka tamin'i Saoly, ka dia maola tao an-trano izy; ary Davida nitendry lokanga tamin'ny tànany tahaka ny fanaony isan'andro ihany, ary nisy lefona teny an-tànan'i Saoly.
11. Dia natorak'i Saoly ny lefona; fa hoy izy: Hamely an'i Davida aho, ka hataoko miboroaka mihatra amin'ny rindrina. Fa Davida nisoroka indroa teo anatrehany.
12. Ary Saoly natahotra an'i Davida, satria Jehovah nomba azy, fa Saoly kosa efa nialany.
13. Koa dia nesorin'i Saoly tsy ho eo aminy Davida, ary nataony mpifehy arivo, dia nitarika ny olona nivoaka sy niditra izy.
14. Ary Davida dia hita fa hendry tamin'izay rehetra nataony, ary Jehovah nomba azy.
15. Ary nony hitan'i Saoly fa hendry dia hendry Davida, dia natahotra azy izy.
16. Fa ny Isiraely sy ny Joda rehetra kosa tia an'i Davida, satria nitondra azy nivoaka sy niditra izy.