1 Samoela 16:7-13 Malagasy Bible (MG1865)

7. Fa hoy Jehovah tamin'i Samoela: Aza mijery ny tarehiny na ny hahavon'ny tsanganany, fa efa nolaviko izy; fa tsy mba toy ny fijerin'ny olona no fijerin'i Jehovah; fa ny olona mijery ny miseho eo ivelany, fa Jehovah kosa mijery ny fo.

8. Ary Jese niantso an'i Abinadaba ka nampandalo azy teo anatrehan'i Samoela. Fa hoy izy: Tsy ity no nofidin'i Jehovah.

9. Ary Jese dia nampandalo an'i Sama indray. Fa hoy izy: Tsy ity no nofidin'i Jehovah.

10. Ary Jese nampandalo fito lahy tamin'ny zanany teo anatrehan'i Samoela. Fa hoy Samoela tamin'i Jese: Tsy nofidin'i Jehovah ireto.

11. Ary hoy Samoela tamin'i Jese: Tapitra eto avokoa va ny zanakao-lahy rehetra? Dia hoy izy: Ny faralahy no sisa, fa miandry ondry izy. Ary hoy Samoela tamin'i Jese: Maniraha haka azy, fa tsy hipetraka hihinana isika ambara-pahatongany eto.

12. Dia naniraka izy ka nitondra azy hiditra. Ary mena volo izy sady bary maso no tsara tarehy. Ary hoy Jehovah: Mitsangàna, hosory izy, fa io no izy.

13. Ary Samoela nandray ny tandroka feno diloilo ka nanosotra azy teo amin'ny rahalahiny; ary ny Fanahin'i Jehovah dia nilatsaka tamin'i Davida hatramin'iny andro iny. Dia nitsangana Samoela ka nankany Rama.

1 Samoela 16