18. Dia namaly ny anankiray amin'ny zatovony ka nanao hoe: Indro, ny anankiray amin'ny zanak'i Jese Betlehemita no hitako mahay mitendry, sady lehilahy mahery sy mpanafika izy ary mahay mandaha-teny sy lehilahy tsara tarehy, ary Jehovah momba azy.
19. Ary Saoly dia naniraka tany amin'i Jese ka nanao hoe: Iraho hankatỳ amiko Davida zanakao izay miandry ondry.
20. Ary Jese naka mofo tokony ho zakan'ny boriky iray sy divay iray siny hoditra sy zanak'osy, ka nampitondrainy an'i Davida zanany ho an'i Saoly ireo.
21. Ary Davida tonga tany amin'i Saoly ka nitoetra teo anatrehany; ary tiany indrindra izy, ka dia tonga mpitondra ny fiadiany.