1 Samoela 15:33-35 Malagasy Bible (MG1865)

33. Fa hoy Samoela: Toy ny tsy nampananan'ny sabatrao zanaka ny vehivavy no tsy hananan'ny reninao zanaka kosa ao amin'ny vehivavy. Dia notetitetehin'i Samoela teo anatrehan'i Jehovah tao Gilgala Agaga.

34. Ary Samoela nankany Rama; fa Saoly kosa niakatra tany amin'ny tranony tao Gibean'i Saoly.

35. Ary Samoela tsy namangy an'i Saoly intsony ambara-pahafatiny; fa Samoela nalahelo an'i Saoly. Ary Jehovah nanenina noho ny nanaovany an'i Saoly ho mpanjakan'ny Isiraely.

1 Samoela 15