1 Samoela 15:1-13 Malagasy Bible (MG1865)

1. Ary hoy Samoela tamin'i Saoly: Jehovah naniraka ahy hanosotra anao ho mpanjakan'ny Isiraely olony; koa ankehitriny mihainoa ny tenin'i Jehovah ianao.

2. Izao no lazain'i Jehovah, Tompon'ny maro: Hovaliako izay nataon'ny Amalekita tamin'ny Isiraely, dia ny nanotrehany azy tany an-dalana, fony izy niakatra avy tany Egypta.

3. Koa mandehana ankehitriny, ka mameleza ny Amalekita, ary aringano izay rehetra mety ho azy, ka aza asiana miangana, fa vonoy avokoa, na lahy na vavy, na ankizy madinika, na zaza minono, na omby, na ondry aman'osy, na rameva, na boriky.

4. Ary Saoly namory ny olona ka nandamina azy tao Telaima, dia roa hetsy ny mandeha an-tongotra, ary iray alina ny lehilahy amin'ny Joda.

5. Ary Saoly dia tonga tao an-tanànan'ny Amalekita ka nanotrika tao an-dohasaha.

6. Ary hoy Saoly tamin'ny Kenita: Andeha miala ianareo, ka midìna hiala amin'ny Amalekita, fandrao miaraka aringako aminy ianareo, fa ianareo nanisy soa ny Zanak'Isiraely rehetra, fony izy nivoaka avy tany Egypta. Ka dia niala tamin'ny Amalekita ny Kenita.

7. Ary Saoly namely ny Amalekita hatrany Havila amin'ny lalana mankany Sora izay tandrifin'i Egypta.

8. Ary azony sambo-belona Agaga, mpanjakan'ny Amalekita, fa ny vahoaka rehetra kosa dia naringany tamin'ny lelan-tsabatra.

9. Fa Saoly sy ny olona tsy namono an'i Agaga sy izay tsara indrindra tamin'ny ondry aman'osy sy ny omby sy ny mifahy sy ny zanak'ondry ary izay tsara rehetra, fa tsy foiny ho naringana ireny; fa ny ratsy rehetra sy izay tsy tiany kosa dia naringany ihany avokoa.

10. Ary tonga tamin'i Samoela ny tenin'i Jehovah hoe:

11. Manenina Aho noho ny nanaovako an'i Saoly ho mpanjaka, fa niala tamin'ny fanarahana Ahy izy ka tsy nahatanteraka ny teniko. Dia tezitra Samoela ka nitaraina tamin'i Jehovah mandritra ny alina.

12. Ary nifoha maraina koa Samoela hitsena an'i Saoly, dia nisy nilaza tamin'i Samoela hoe: Saoly efa tonga ato Karmela, ary, indro, izy nanorina fahatsiarovana ho azy, dia nihodina ka nandroso nidina ho any Gilgala.

13. Ary Samoela tonga teo amin'i Saoly, dia hoy Saoly taminy: Hotahin'i Jehovah anie ianao; efa nahatanteraka ny tenin'i Jehovah aho.

1 Samoela 15