1 Samoela 14:4-11 Malagasy Bible (MG1865)

4. Ary teo an-daniny roa teo an-tenatenan'ny hadilanana izay nitadiavan'i Jonatana hankanesana ao amin'ny miaramilan'ny Filistina dia nisy harambato kitso loha: ny anaran'ny anankiray dia Bozeza, ary ny anaran'ny anankiray kosa Sene.

5. Ny iray amin'ireo harambato ireo dia nijoro avo teo andaniny avaratra manandrify an'i Mikmasy, ary ny iray kosa nijoro avo teo atsimo manandrify an'i Gibea.

6. Ary hoy Jonatana tamin'ny zatovo, mpitondra ny fiadiany: Andeha isika hankany amin'ny miaramilan'ireo tsy mifora ireo; angamba homba antsika Jehovah, fa tsy misy mahasakana an'i Jehovah tsy hamonjy, na amin'ny maro, na amin'ny vitsy.

7. Dia hoy kosa ny mpitondra ny fiadiany taminy: Ataovy izay rehetra ao am-ponao; mandrosoa ihany; indro, hanaraka anao aho araka ny sitraponao.

8. Ary hoy Jonatana: Indro, handroso ho amin'ireo olona ireo isika ka hiseho aminy.

9. Ary raha hoy izy: Andraso mandra-pahatonganay any aminareo, dia hitoetra ao amin'izay itoerantsika ihany isika ka tsy hiakatra eny aminy.

10. Fa raha hoy kosa izy: Miakara etỳ aminay, dia hiakatra isika, fa efa natolotr'i Jehovah eo an-tanantsika izy; ary izany no ho famantarana ho antsika.

11. Dia niseho tamin'ny miaramilan'ny Filistina izy roa lahy, ary hoy ny Filistina: Indreo, misy Hebreo mifongatra avy any an-davaka niereny.

1 Samoela 14