4. Dia ren'ny Isiraely rehetra fa efa namely ny miaramilan'ny Filistina Saoly, ka dia halan'ny Filistina ny Isiraely. Dia nivory ny olona hanaraka an'i Saoly ho any Gilgala.
5. Ary ny Filistina telo alina an-kalesy sy enina arivo an-tsoavaly ary vahoaka betsaka tahaka ny fasika eny amoron-dranomasina dia nivory hiady tamin'ny Isiraely; dia nandeha izy ka nitoby tany Mikmasy atsinanan'i Betavena.
6. Ary nony hitan'ny lehilahy amin'ny Isiraely fa poritra izy (fa efa ory indrindra ny olona), dia nijery tany an-johy sy tany amin'ny kirihitrala sy tany, amin'ny harambato sy tany amin'ny fierena ary tany amin'ny lavaka famorian-drano izy.
7. Ary ny Hebreo sasany dia lasa nita an'i Jordana nankany amin'ny tany Gada sy Gileada. Fa Saoly mbola tany Gilgala ihany, ary ny vahoaka rehetra nanaraka azy, nefa toran-kovitra be ihany.
8. Ary niandry hafitoana izy araka ny fotoana nataon'i Samoela; fa Samoela tsy mbola tonga tany Gilgala; ary ny olona niely nandao an'i Saoly.
9. Ary hoy Saoly: Ento etỳ amiko ny fanatitra dorana sy ny fanati-pihavanana; ka dia nanatitra ny fanatitra dorana izy.
10. Ary rehefa vita ny nanaterany ny fanatitra dorana, indro, tamy Samoela, ary nivoaka hitsena azy Saoly mba hiarahaba azy.
11. Dia hoy Samoela: Inona no nataonao? Ary hoy Saoly: Raha hitako fa niely nandao ahy ny olona, sady tsy tonga tamin'ny fotoana ianao, ary tafangona tany Mikmasy ny Filistina,