1. Telo-polo taona Saoly, raha vao nanjaka; ary nanjaka roa taona tamin'ny Isiraely izy.
2. Ary Saoly nifantina telo arivo lahy tamin'ny Isiraely, ka ny roa arivo lahy nitoetra teo aminy tany Mikmasy sy tany amin'ny tany havoan'i Betela, ary ny arivo lahy nitoetra teo amin'i Jonatana tany Gibean'ny Benjamina; fa ny olona sisa kosa samy nampodiny ho any an-dainy avy.
3. Ary Jonatana namely ny miaramilan'ny Filistina, izay tany Geba, ary ren'ny Filistina izany. Ary Saoly nampitsoka anjomara teny amin'ny tany rehetra ka nanao hoe Aoka handre ny Hebreo.