21. Fa ho amin'izany no niantsoana anareo; fa Kristy aza efa nijaly hamonjy anareo ka namela fianarana ho anareo, mba hanarahanareo ny diany;
22. "Izay tsy nanota akory, sady tsy nisy fitaka teo am-bavany" (Isa. 53.9);
23. raha notevatevaina Izy, dia tsy mba nanevateva; raha nijaly, dia tsy nandrahona, fa nanolotra ny adiny ho amin'ny Mpitsara marina;
24. ary Izy nitondra ny fahotantsika (Isa. 53. 12) tamin'ny tenany teo ambonin'ny hazo, mba ho faty ny amin'ny ota isika, fa ho velona ny amin'ny fahamarinana; ary "ny dian-kapoka taminy no nahasitranana anareo" (Isa. 53.5).
25. Fa efa nania toy ny ondry ianareo (Isa. 53.6), nefa ankehitriny dia efa niverina ho amin'ny Mpiandry sy Mpitandrina ny fanahinareo.