1 Petera 2:11-15 Malagasy Bible (MG1865)

11. Ry malala, mananatra anareo aho, satria vahiny sy mpivahiny ianareo, fadio ny filan'ny nofo, fa miady amin'ny fanahy ireny;

12. ary aoka ho tsara ny fitondran-tenanareo eo amin'ny jentilisa, mba hankalazany an'Andriamanitra amin'ny andro famangiana noho ny ahitany ny asa tsara ataonareo, dia izay anendrikendrehany anareo ho mpanao ratsy.

13. Ary noho ny Tompo dia maneke izay rehetra voatendrin'ny olona, na ny mpanjaka, satria ambony izy,

14. na ny mpanapaka, satria nirahiny hamaly izay manao ratsy izy, fa ho mpidera izay manao tsara.

15. Fa toy izany no sitrapon'Andriamanitra, hampanginanareo ny tsi-fahalalan'ny olona adala amin'ny fanaovan-tsoa;

1 Petera 2