1 Mpanjaka 7:49-51 Malagasy Bible (MG1865)

49. ary ny fanaovan-jiro, dimy amin'ny ankavanana ary dimy amin'ny ankavia, teo anoloan'ny efitra anatiny, dia samy volamena tsara; ary ny voniny sy ny lela fanaovan-jiro ary ny hetin-jiro dia volamena koa;

50. ary ny vilia sy ny antsy sy ny lovia famafazana sy ny lovia kely sy ny fitoeran-davenon-jiro dia volamena tsara; ary ny vavin-tsavily ho amin'ny lela-varavaran'ny efitra anatiny, dia ny fitoerana masina indrindra, sy ho amin'ny lela-varavaran'ny efi-trano lehibe dia volamena avokoa.

51. Toy izany no nahavitana ny asa nataon'i Solomona mpanjaka ho amin'ny tranon'i Jehovah; ary nampidirin'i Solomona ny zavatra izay efa nohamasinin'i Davida rainy, dia ny volafotsy sy ny volamena ary ny fanaka, sa nataony tao amin'ny rakitry ny tranon'i Jehovah.

1 Mpanjaka 7