1 Mpanjaka 7:39-45 Malagasy Bible (MG1865)

39. Ary nametraka ny fitoeran-tavin-drano dimy teo ankavanan'ny trano izy, ary ny dimy teo ankavian'ny trano, ary ilay tavin-drano lehibe nataony teo ankavanan'ny trano, dia teo atsimo-atsinanana.

40. Ary Hirama nanao ny tavin-drano sy ny sotron'afo ary ny lovia famafazana; ka dia vitan'i Hirama ny asa rehetra izay nataony ho an'i Solomona mpanjaka ho amin'ny tranon'i Jehovah:

41. dia ny andry roa sy ny boriboriny roa amin'ny kapitaly izay teny an-tampon'ny andry roa, sy ny harato roa izay hafono ny boriboriny roa amin'ny kapitaly izay teo an-tampon'ny andry avy,

42. ary ny sarin'ampongabendanitra efa-jato ho amin'ny harato roa, ampongabendanitra roa andalana ho amin'ny harato iray hafono ny boriboriny roa amin'ny kapitaly izay teny an-tampon'ny andry avy,

43. ary ny fitoeran-tavin-drano folo sy ny tavin-drano folo ho eo ambonin'ny fitoerany

44. ary ny tavin-drano lehibe iray sy ny sarin'omby roa ambin'ny folo teo ambaniny.

45. ary ny vilany fandraofan-davenona sy ny sotron'afo ary ny lovia famafazana. Ary ireo fanaka rehetra ireo, izay nataon'i Hirama ho an'i Solomona mpanjaka ho amin'ny tranon'1 Jehovah, dia varahina manganohano avokoa.

1 Mpanjaka 7