1 Mpanjaka 5:1-5 Malagasy Bible (MG1865)

1. Ary Solomona nanjaka tamin'ny fanjakana rehetra hatramin'ny Ony sy ny tanin'ny Filistina ka hatramin'ny sisin'i Egypta; nandoa hetra ireo sady nanompo an'i Solomona tamin'ny andro rehetra niainany.

2. Ary ny fihinan'i Solomona isanandro dia koba tsara toto telo-polo kora sy koba hafa enim-polo kora,

3. sy omby mifahy folo sy omby an-tondraka roa-polo ary ondry aman'osy zato, afa-tsy ny diera koa sy ny gazela sy ny kapreola ary ny vorona mifahy.

4. Fa nanapaka ny tany rehetra atỳ an-dafin'ny Ony hatrany Tifsa ka hatrany Gaza izy, dia tamin'ny mpanjaka rehetra etỳ an-dafin'ny Ony; ary izy dia tsara fihavanana tamin'ireny rehetra manodidina nanoa azy ireny.

5. Ary ny Joda sy ny Isiraely nandry fahizay tamin'ny andron'i Solomona rehetra, samy teny ambanin'ny voalobony sy ny aviaviny ny olona hatrany Dana ka hatrany Beri-sheba.

1 Mpanjaka 5