1 Mpanjaka 4:12-20 Malagasy Bible (MG1865)

12. Bana, zanak'i Ahiloda; azy Tanaka sy Megido ary Beti-sana rehetra, izay anilan'i Zaretana, ambanin'i Jezirela, hatrany Beti-sana ka hatrany Abela-mehola, dia hatrany ankoatr'i Jokneama no azy.

13. Beni-gabera tao Ramota-gileada; ny tanàna madinika an'i Jaïra, zanak'i Manase, izay any Gileada, no azy; azy koa ny tany Argoba, izay any Basana, dia tanana enim-polo lehibe nisy manda sy hidy varahina;

14. Ahinadaba, zanak'Ido, tany Mahanaima;

15. Ahimaza tany Naftaly; izy kosa nanambady an'i Basemata, zanakavavin'i Solomona;

16. Bana, zanak'i Hosay, tany Asera sy Alota;

17. Josafata, zanak'i Paroa, tany Isakara;

18. Simey, zanak'i Ela, tany Benjamina;

19. Gabera, zanak'i Ory, tany amin'ny tany Gileada, tanin'i Sihona, mpanjakan'ny Amorita, sy Oga, mpanjakan'i Basana; ary izy ihany no voatendry ho amin'izany tany izany.

20. Ary ny Joda sy ny Isiraely dia maro, tahaka ny fasika amoron-dranomasina ny hamarony, sady mihinana sy misotro ary mifaly.

1 Mpanjaka 4