8. Ary izaho mpanomponao koa dia ao amin'ny olonao izay nofidinao, sady olona betsaka tsy tambo isaina ary tsy hita isa noho ny hamaroany.
9. Koa omeo ahy mpanomponao saina malady ho entiko mitsara ny olonao hahaizako manavaka ny soa sy ny ratsy; fa iza moa no mahay mitsara izao olonao betsaka izao?
10. Ary sitraky ny Tompo ny nangatahan'i Solomona izany zavatra izany;
11. ka dia hoy Andriamanitra taminy: Satria nangataka izany zavatra izany ianao, fa tsy ny ho ela velona, na harena, na ny ain'ny fahavalonao, fa fahaizana hitsara no nangatahinao,
12. dia, indro, efa nanao araka ny teninao Aho, ka indro, efa nanome anao saina hendry sady mahiratra, ka tsy nisy tahaka anao ny teo alohanao, ary tsy hisy ho tahaka anao ny ato aorianao.