36. Ary nony efa hilentika ny masoandro, dia niely eran'ny toby rehetra izao antsoantso izao hoe: Samia mody any an-tanànany avy sy any amin'ny taniny avy!
37. Dia maty ny mpanjaka, ka nentina tany Samaria izy, dia nalevina tao.
38. Ary nony nosasana teo am-parihin'i Samaria ny kalesiny, dia avy ny alika nilelaka ny ràny raha nandro tao ny vehivavy janga araka ny tenin'i Jehovah.
39. Ary ny tantaran'i Ahaba sisa mbamin'izay rehetra nataony sy ny trano ivory izay nataony ary ny tanàna rehetra izay naoriny, tsy efa voasoratra ao amin'ny bokin'ny tantaran'ny mpanjakan'ny Isiraely va izany?
40. Ary Ahaba lasa nodi-mandry any amin'ny razany; ary Ahazia zanany no nanjaka nandimby azy.
41. Ary Josafata, zanak'i Asa, vao nanjaka tamin'ny Joda tamin'ny taona fahefatra nanjakan'i Ahaba, mpanjakan'ny Isiraely.
42. Dimy amby telo-polo taona Josafata, fony izy vao nanjaka, ary dimy amby roa-polo taona no nanjakany tany Jerosalema. Ary ny anaran-dreniny dia Azoba, zanakavavin'i Sily.
43. Ary nandeha tamin'ny lalana rehetra izay nalehan'i Asa rainy izy ka tsy niala tamin'izany, fa nanao izay mahitsy eo imason'i Jehovah;
44. kanefa kosa ny fitoerana avo tsy mba noravana, fa ny olona mbola namono zavatra hatao fanatitra sady mbola nandoro ditin-kazo manitra teny amin'ny fitoerana avo ihany.
45. Ary Josafata nanao fihavanana tamin'ny mpanjakan'ny Isiraely.
46. Ary ny tantaran'i Josafata sisa sy ny heriny mbamin'ny niadiany, tsy efa voasoratra ao amin'ny bokin'ny tantaran'ny mpanjakan'ny Joda va izany?
47. Ary ny sisa amin'ny olona izay nanolo-tena hijangajanga ho fanompoan-tsampy, dia Izay mbola tany tamin'ny andron'i Asa rainy, dia nofongorany hiala amin'ny tany.
48. Ary tsy nisy mpanjaka tany Edoma fahizay, fa olona voatendry no nitondra ny fanjakana.
49. Ary Josafata nanao sambon'i Tarsisy folo hankany Ofira haka volamena; nefa tsy lasa ireo sambo ireo, fa nahavakiana tao Ezion-gebera.
50. Dia hoy Ahazia, zanak'i Ahaba, tamin'i Josafata: Aoka ny vahoakako hiaraka amin'ny vahoakanao any an-tsambo. Fa tsy nety Josafata.