1 Mpanjaka 20:16-20 Malagasy Bible (MG1865)

16. Ary nivoaka izy nony nitataovovonana ny andro. Fa Beni-hadada nisotro ho mamo tao an-trano rantsan-kazo, dia izy sy ireo mpanjaka roa amby telo-polo izay nanampy azy.

17. Ary ny zatovon'ny komandin'ny fanapahana isan-tokony nivoaka voalohany; ary Beni-hadada naniraka, ka dia nilazana hoe: Misy olona efa nivoaka avy any Samaria.

18. Ary hoy izy: Ataovy sambo-belona izy, na ho avy hihavana, na ho avy hiady.

19. Dia nivoaka avy tao an-tanĂ na ireo zatovon'ny komandin'ny fanapahana isan-totony ireo sy ny miaramila izay nanaraka azy.

20. Ary samy nahafaty olona iray avy izy rehetra; dia vaky nandositra ny Syriana, ka nenjehin'ny Isiraely; ary Beni-hadada, mpanjakan'i Syria, nandositra an-tsoavaly mbamin'ny mpitaingin-tsoavaly sasany koa.

1 Mpanjaka 20