1. Dia nolazain'i Ahaba tamin'i Jezebela izay rehetra nataon'i Elia, dia ny namonoany ny mpaminany rehetra tamin'ny sabatra.
2. Ary Jezebela naniraka olona tany amin'i Elia hanao hoe: Hataon'ireo andriamanitra amiko anie izany, eny, mihoatra noho izany aza, raha tsy hataoko toy ny ain'ny anankiray amin'ireny ny ainao raha maraina toy izao.
3. Ary raha nahita izany izy, dia niainga ka lasa nandeha hamonjy ny ainy dia nankany Beri-sheba, izay any Joda, ary ny zatovo najanony tao.
4. Fa izy kosa nandeha lalana indray andro tany an-efitra, ary tonga ka nipetraka teo ambanin'ny anjavidy anankiray; dia nangataka ho faty izy ka nanao hoe: Aoka izay! alao ny aiko ankehitriny, Jehovah รด. fa tsy tsara noho ny razako aho.