11. Ary ankehitriny hoy ianao: Andeha, lazao amin'ny tomponao hoe: Injao, atsy Elia.
12. Nefa raha vao miala aminao aho, dia ho entin'ny Fanahin'i Jehovah any amin'izay tsy fantatro ianao; koa raha tonga aho ka milaza amin'i Ahaba, nefa tsy ho hitany ianao tsinona, dia hovonoiny aho; kanefa izaho mpanomponao matahotra an'i Jehovah hatry ny fony mbola kely.
13. Moa tsy nolazaina taminao va, tompoko, izay nataoko tamin'ilay namonoan'i Jezebela ny mpaminanin'i Jehovah, dia ny nanafenako ny mpaminanin'i Jehovah zato lahy, ka dimam-polo avy no nataoko tao an-johy iray, ary novelomiko mofo sy rano ireo?
14. Nefa ankehitriny hoy ianao: Andeha, lazao amin'ny tomponao hoe: Injao, atsy Elia; dia hamono ahy Ahaba.
15. Fa hoy Elia: Raha velona koa Jehovah, Tompon'ny maro, Izay itsanganako eo anatrehany, dia hiseho aminy tokoa aho anio.
16. Dia lasa Obadia nitsena an'i Ahaba ka nilaza taminy; ary Ahaba nandeha hitsena an'i Elia.
17. Ary nony hitan'i Ahaba Elia, dia hoy izy taminy: Hay! tonga etỳ ianao, ry ilay mampidi-doza amin'ny Isiraely!
18. Fa Elia namaly hoe: Tsy izaho no nampidi-doza tamin'ny Isiraely, fa ianao sy ny mpianakavin'ny rainao ihany tamin'ny nandavanareo ny didin'i Jehovah sy ny nanarahanao ireo Bala.
19. Ary ankehitriny maniraha hamory ny Isiraely rehetra hihaona amiko any an-tendrombohitra Karmela, ary ny mpaminanin'i Bala dimam-polo amby efa-jato sy ny mpaminanin'ny Aseraha efa-jato, izay mihinana eo amin'ny latabatr'i Jezebela.
20. Dia naniraka tany amin'ny Zanak'Isiraely rehetra Ahaba ka namory ny mpaminany ho any an-tendrombohitra Karmela.
21. Ary dia nankeo amin'ny olona rehetra Elia ka nanao hoe: Mandra-pahoviana no hiroa saina ianareo ? Raha Jehovah no Andriamanitra, manaraha Azy; fa raha Bala kosa, dia manaraha azy. Fa ny olona tsy namaly azy akory.
22. Dia hoy Elia tamin'ny olona: Izaho dia izaho irery ihany no sisa amin'ny mpaminanin'i Jehovah; fa ny mpaminanin'i Bala kosa dia dimam- -polo amby efa-jato lahy.
23. Koa aoka ireo no hanome vantotr'ombilahy roa ho antsika; ary aoka izy no hifidy ny iray ho azy, dia handrasa azy ka hametraka azy eo ambonin'ny kitay hazo, nefa tsy hasiana afo ao; ary izaho kosa hamboatra ny iray ka hametraka azy eo ambonin'ny kitay hazo, nefa tsy hasiana afo koa ao.