1 Mpanjaka 16:10-20 Malagasy Bible (MG1865)

10. Dia niditra Zimry ka namely an'i Elaha ho faty tamin'ny taona fahafito amby roa-polo nanjakan'i Asa, mpanjakan'ny Joda, ary izy no nanjaka nisolo azy.

11. Ary nony vao nanjaka Zimry ka nipetraka tamin'ny seza fiandrianany, dia namono ny mpianakavin'i Basa rehetra izy; ka tsy navelany hisy miangana na dia lehilahy iray akory aza. na tamin'ny havany, na tamin'ny sakaizany.

12. Toy izany no nandringanan'i Zimry ny mpianakavin'i Basa rehetra, araka ny tenin'i Jehovah izay nampilazainy an'i Jehovah mpaminany ny amin'i Basa,

13. noho ny fahotany rehetra sy ny fahotan'i Elaha zanany koa, izay nataony sady nampanotany ny Isiraely ka nampahatezitra an'i Jehovah, Andriamanitry ny Isiraely, tamin'ny zava-poanany.

14. Ary ny tantaran'i Elaha sisa mbamin'izay rehetra nataony, tsy efa voasoratra ao amin'ny bokin'ny tantaran'ny mpanjakan'ny Isiraely va izany?

15. Tamin'ny taona fahafito amby roa-polo nanjakan'i Asa, mpanjakan'ny Joda, no nanjakan'i Zimry hafitoana tao Tirza. Ary ny olona nanao fahirano an'i Gibetona, izay an'ny Filistina.

16. Ary ny olona izay nitoby teo dia nandre hoe: Efa nikomy Zimry sady efa namono ny mpanjaka koa; ary ny Isiraely rehetra tany an-tobiny nampanjaka an'i Omry, komandin'ny miaramila, androtrizay ihany ho mpanjakan'ny Isiraely.

17. Dia niakatra avy tao Gibetona Omry sy ny Isiraely rehetra niaraka taminy, ka dia nanao fahirano an'i Tirza.

18. Ary nony hitan'i Zimry fa afaka ny tanana, dia lasa niditra tao amin'ny trano avo amin'ny lapa izy, ary nodorany tamin'ny afo ny lapa. ka may tao izy, dia maty

19. noho ny fahotana izay nataony tamin'ny nanaovany izay ratsy eo imason'i Jehovah, tamin'ny nandehanany tamin'ny lalan'i Jeroboama sy tamin'ny fahotana izay nataony sady nampanotany ny Isiraely.

20. Ary ny tantaran'i Zimry sisa mbamin'ny fikomiany, tsy efa voasoratra ao amin'ny bokin'ny tantaran'ny mpanjakan'ny Isiraely va izany?

1 Mpanjaka 16