6. Ary niady Rehoboama sy Jeroboama tamin'ny andro rehetra niainany.
7. Ary ny tantaran'i Abia sisa mbamin'izay rehetra nataony, tsy voasoratra ao amin'ny bokin'ny tantaran'ny mpanjakan'ny Joda va izany ? Ary niady Abia sy Jeroboama
8. Ary Abia lasa nodi-mandry any amin'ny razany, dia nalevina tao an-TanĂ nan'i Davida izy; ary Asa zanany no nanjaka nandimby azy.
9. Ary tamin'ny taona faharoa-polo nanjakan'i Jeroboama, mpanjakan'ny Isiraely, no vao nanjakan'i Asa tamin'ny Joda.
10. Ary iraika amby efa-polo taona no nanjakany tany Jerosalema. Ary ny anaran-dreniny dia Imaka, zanakavavin'i Absaloma.
11. Ary Asa nanao izay mahitsy eo imason'i Jehovah toy ny nataon'i Davida rainy.