16. Ary Izy hanolotra ny Isiraely noho ny fahotana izay nataon'i Jeroboama sady nampanotany ny Isiraely.
17. Dia niainga ny vadin'i Jeroboama ka lasa nandeha ary tonga tany Tirza; koa rehefa mby teo amin'ny tokonam-baravarana izy, dia maty ny zazalahy;
18. dia nandevina azy ny Isiraely rehetra sady nisaona azy, araka ny tenin'i Jehovah izay nampilazainy an'i Ahia mpaminany mpanompony.
19. Ary ny tantaran'i Jeroboama sisa, dia ny niadiany sy ny nanjakany, indro, efa voasoratra ao amin'ny bokin'ny tantaran'ny mpanjakan'ny Isiraely izany.
20. Ary ny andro nanjakan'i Jeroboama dia roa amby roa-polo taona; dia lasa nodi-mandry any amin'ny razany izy; ary Nadaba zanany no nanjaka nandimby azy.
21. Ary Rehoboama, zanak'i Solomona, no nanjaka tamin'ny Joda. Efa iraika amby efa-polo taona Rehoboama, fony izy vao nanjaka, ary fito ambin'ny folo taona no nanjakany tany Jerosalema, tanĂ na nofidin'i Jehovah tamin'ny firenen'Isiraely rehetra hametrahany ny anarany. Ary ny anaran-dreniny dia Nama Amonita.
22. Ary ny Joda nanao izay ratsy eo imason'i Jehovah ka nampahasaro-piaro Azy tamin'ny fahotana izay nataony mihoatra noho izay rehetra nataon'ny razany.